<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Mpamonjy, Masoandronay !
 Fahazavan'ny alinay
 Ny zavon-tany mba savao
 Tsy hanakonany Anao.

[V2]
 Tontolo andro Hianao
 No anton'ny iainanay ;
 Raha alina, mombà anay,
 Ny faty tsy ho tahotray.

[V3]
 Ny aizina mba hazavao,
 Tarihonao ny lalana
 Halehanay an-efitra
 Ho tonga any aminao.

[V4]
 Izay marary mba tsaboy,
 Ny ory aza afoinao,
 Ho toy ny torin-jaza anie
 Ny fiadananay izao.

[V5]
 Tahio ny hifohazanay
 Hanaovanay ny sitrakao
 Ambara-pahatapitra
 Ny andro ivelomanay.

[V6]
 Raha mby aminao izahay,
 Hahita fiadanana,
 Fa ao tsy misy alina,
 Hianao no Masoandronay.</lyrics>
<title>Mpamonjy Masoandronay! FFPM724</title>
<hymn_number>724</hymn_number>
</song>